- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Tafakatra hatrany amin’ny 6 alina ariary ny gisa vazaha...

Ambatondrazaka : Tafakatra hatrany amin’ny 6 alina ariary ny gisa vazaha iray

Anisan’ny sakafo manamarika ny fetin’ny krisimasy sy ny faran’ny taona ny fihinanan’ny Malagasy gisa. Toerana anisan’ny betsaka mpiompy gisa raha ny aty amin’ny faritra Alaotra , toa saika manao izany avokoa ireo mponina eny ambanivolo  ary ny faran’ny taona tahaka izao no fotoana fivarotana azy,  satria eo no tsara ny vidiny. Raha tany amin’ny taona 2000 tany no nahitana fa mahazo gisa vaventy ny 5000 Ar dia  tsy miteny intsony izany ankehitriny satria efa tafakatra any amin’ny 6 alina ariary ny gisa vaventy. Manodidina ny roa alina ariary ny salatsalany. Anisan’ny mampitombo ny vidin’ny vorona aty Alaotra ny fahamaroan’ireo mpanangona azy ity, na ny orinasa vaventy izany na ny fikambanana, na ny olon-tsotra, ary aty Alaotra avokoa no hanangonana izany. Fiara vaventy  maromaro isan’andro no mitatitra gisa mihazo an’Antananarivo sy Toamasina,  miampy ireo takisiborosy  amin’izao fotoana izao,  kanefa toa vao mainka mampitombo ny gisa miakatra ny tsena izany. Rahoviana no ho tapitra ny gisan’Alaotra,  raha manomboka ho lany taranaka ny trondro sy ny baraoa izay mampalaza azy.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser