Ny andron’ny 29 Oktobra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora tolakandro no nampandre ny lehiben’ny fokontany ao amin’ny tanànan’Antsapanana, kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny olona sendra nahita ny fatin’ilay zazalahikely telo taona, fantatra amin’ny anarana hoe: Feno. Izay maty tsy nahy teny amin’ny reniranon’i Bonakely. Ny fampitam-baovao voaray am-bava hatrany no nahalalana fa nandro niaraka tamin’ny renibeny, ity zazalahikely ity. Nandritra izany no nidina teny ifotony ny Sefom-pokontany sy ny Zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritran’Antsapanana, niaraka tamin’ny dokotera. Taorian’izay nomena ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka, efa tsy misy aina intsony, rehefa vita ny fijerena natao. Ny Zandary ao Antsapanana hatrany no mandray ny fanadihadiana.
Ratantely