- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSekoly eto Toamasina renivohitra : Misy manarama 100.000 ariary ny zazavavy mpianatra

Sekoly eto Toamasina renivohitra : Misy manarama 100.000 ariary ny zazavavy mpianatra

Zavatra hafahafa tsy mbola fandre no mitranga eto Toamasina amin’izao, satria misy olona manarama olona mitady mpianatra zazavavy 10 hatramin’ny 14 taona hitadiavana firaisana ara-nofo fotsiny, ka karamaina 100.000 ariary ireo zazavavy mpianatra ireo ao anatin’izany. Nisy sekoly CEG iray eto Toamasina tratran’izany ny mpianatra zazavavy tao aminy, ka raha indroa ilay mpanera nanao izany tamin’ireo mpianatra rehefa tambazany entiny mandeha mianatra “danse” iny, dia niresaka tamin’ny mpampianatra azy mikasika ilay zava-misy. Ireo mpampianatra no nilaza ny zava-misy iainan’ireo mpianatra tamin’ny talen’ny sekoly, ka voatery niantso ireo ray aman-dreny ilay tale taorian’ny fialantsasatry ny fetin’ny maty teo. Nampitandrina ireo ray aman-dreny ilay tale mikasika io tranga miseho amin’ny fitadiavana zazavavy mpianatra 10 hatramin’ny 14 taona hanaovana firaisana ara-nofo hafahafa io. Raha mahita tranga amin’ny fananam-bolan’ireo mpianatra tampoka ny ray aman-dreny dia tokony hampilaza avy hatrany ny sekoly hisorahana ny tranga mety hiseho. Araka ny fanazavana hatrany ihany koa dia toa mpivady ireto mpanera mpitady mpianatra hanaovana firaisana ara-nofon’olona manaramana azy ireto, ka ireto “mpivady” ireto no manarama ireo mpianatra amin’ny vola 100.000 ariary, ka indroa omeny ihany ireto mpianatra fa amin’ny fahatelony tereny araka azy hanao ilay firaisana ara-nofo amin’ilay olona manarama azy “mivady” ireto. Ireo mpianatra tsy nanaiky izany ireto niresaka tamin’ny mpampianatra azy ireto. Efa nandray ny fepetra rehetra mikasika izany ity sekoly lasibatra ity, ary mino ireo mpanabe ao aminy fa tsy izy ireo irery ihany no iharan’izao tranga mamoehitra ataon’olon-tsy fantatra izao, fa ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manodidina rehetra ihany koa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici