
Tanana efa zatra mitsotra, hoy ny zandary. Raha ny an’ity lehilahy ity angamba efa ratsam-batana hafa no zatra mitsotra ka mila handraisana fepetra henjana !
Ny faran’ny volana oktobra lasa teo mantsy, lehilahy iray, vao nivoaka ny fonja noho ny resaka noho izay resaka fanolanana izay, no tra-tehaky ny zandary indray, nampihatra ny filan-dratsiny tamina zazavavy kely vao taona monja, tao Ambodivoanjo, kaominina Ambohitrimanjaka. Raha ny fanomezam-baovao nomen’ny zandary dia mpifanolo-bodirindrina ihany ity tsy valahara ity sy ilay lasibatra. Nilalao teo an-tokontany ity farany tamin’io fotoana io no nantsoin’ilay rangahy tany an-tranony. Mazava ho azy, mpiray tanana ve moa, ka dia nanaiky tsy tam-pihambahambana ilay ankizikely. Vao tafiditra tao an-trano anefa dia tsy navelany hivoaka intsony fa nampiharany ny filan-dratsiny tao.
Taorian’izay, rehefa niverina tany an-trano ilay ankizy vao nitantara tamin’ireo ray aman-dreniny. Nametraka fitoriana avy hatrany moa ireto farany ary io niroso tamin’ny fisamborana io ny zandary. Tamin’ny alalan’ny famotorana natao azy, hoy hatrany ny vaovao no nahafantarana fa « efa nigadra ity lehilahy ity noho ny resaka fanolanana ihany ». Notanana natao andrimaso avy hatrany eny amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitrimanjaka moa ity lehilahy tsy valahara ity ho amin’ny fanadihadiana azy, mialohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fitsaràna.
Ny toe-javatra tahak’izao tokoa no tokony hampiharana ilay lalàna vaovao mahakasika ireo olona voaheloka noho ny resaka fanolanana fa indrindra ireo mpamerin-keloka.
m.L