Misimisia ny toy izao sy ny olona sahy mandray andraikitra tahak’ity lehilahy ity hoy ny rehetra ! Omaly tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ny iray tamin’ireo mpanedaka, mampikaikaika sy nampitondra faisana olona maro tetsy Ambohijatovo. Raha teo am-pisintomanana ny findain’olona tao anaty taxibe iny ranamana no notratraran’ity sendra nahita ary nobedainy tsy navelany nandositra na dia niezaka mafy aza. Nanampy azy avokoa ny rehetra taorian’izay ary niantsoana mpitandro filaminana nony avy eo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa izany olon-dratsy izany ho amin’ny famotorana azy. Tsy vitsy tokoa no mitairana ny amin’ny afitsok’ireo tontakely ireo, indrindra fa ireo mpandeha « bus ». Raha vao varindriana tsy nahidy fitaratra kanefa namoaka finday dia voatily ary tsy hamelan’ireo olon-dratsy raha tsy azony. Ary tsy eo amin’io toerana io ihany fa amin’ireo somary be olona sy mifanisika taxibe. Maro amin’ireo mpamily sy ny mpanampy amin’ny « taxibe » no mahafantatra tsara azy ireny, saingy tsy afa-manoatra ny hilaza na hisambotra azy ireny. Tahotry ny mety ho valifatiny sy izay mety ho namany aoriana ao. « Ny hany hery ny mampitandrina mialoha ireo mpandeha sisa mba hahamailo azy ireo » hoy ny mpamily iray.
m.L