- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina Suburbaine : Kandida tsy miankina nampanantsoina teny amin’ny zandary

Toamasina Suburbaine : Kandida tsy miankina nampanantsoina teny amin’ny zandary

Nahagaga ny maro indrindra ireo mpiara-dia amin’ity kandida tsy miankina antsoina hoe “DODOFY” ity ny zava-nitranga taminy ny alatsinainy teo. Nampanantsoina teny amin’ny zandary noho famotorana azy amin-javatra tsy fantany sy tsy nampahafantarina azy ny tenany. Tonga maro nanohana azy teny amin’ny zandary ireo mpanohana sy ireo mpiara-dia aminy ao Toamasina Suburbaine ao ny alatsinainy io. Tsy nisy nipika ny famotorana araka ny tsy ambaratelo fonosin’izany, fa ny fanazavana azo fotsiny dia tsy fantany mazava ny hitoriana azy sy ny mpitory satria tsy nampahafantarina azy izany araka ny fanazavany. Nilaza moa ity kandida ho ben’ny Tanana ao Toamasina suburbaine ity fa tsy hilefitra amin-javatra tsy fantany toy izao ny tenany, “satria ny antom-pijoroany dia ho an’ny tanindrazana iombonana, ary hijoro hatrany na eo aza ny antsonjay atao aminy amin’izao fotoana izao ity”. lasa resa-be ao Toamasina suburbaine sy Toamasina II iny ity raharaha nanenjehana ny kandida ben’ny Tanana Atoa DODOFY ao Toamasina suburbaine ity. Lasa miahiahy avokoa ireo kandida tsy miankina ao Toamasina II rehetra iny vokatra izany, ny fampielezan-kevitra raha teo efa hanomboka.  Araka ny fantatra ihany koa dia mbola misy olona roa hafa voalaza fa namany hatao famotorana nanomboka omaly talata, ka ho hita eo ny tohin’ity resaka hafahafa ao Toamasina suburbaine ity. Manahy ny hisian’ny politika avo lenta famotehana azy mba tsy ahafahany mirotsaka ho fidiana ny 11 desambra izao raharaha hafahafa mitranga izao. Hiakatra fampanoavana mantsy ny raharaha aorian’ny famotorana rehetra izay fantatra fa mety amin’ny herinandro ity ihany izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici