- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Dahalo nikasa hanafika tanana maty voatifitra

Betafo : Dahalo nikasa hanafika tanana maty voatifitra

Nanao sesilany mihitsy tao ho ao izay ireo olon-dratsy lasa any amin’ny varo-tsy mifody, na ny teto an-drenivohitra na ireo tany amin’ny faritra manodidina. Toy ity tany Betafo ity, ny faran’ny herinandro teo, izay nisian’ny fifandonana teo amin’ireo zandary sy andian-dahalo nikasa hanafika tanana, tao anatin’ny kaominina Mandritsara. Efa tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana nialoha ny vaovao, makasika ny fikasan-dratsin’ireo dahalo. Avy hatrany dia ny an’ireo zandary araka izany no tonga aloha, ary nametraka paikady hiambenana ireo kizo sy izay mety toerana hiafenan’ireo olon-dratsy mialoha ny fanafihana. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nifanehatra tao amin’ny kizon’Ambatomasina, fokontany Miaramamindra, ny roa tonta. Raikitra ny fifampitifirana tao anaty maizina tao. Tao anatin’izay no nahavoa ny dahalo iray. Vaky nandositra kosa ireo namany, raha ny voalaza rehefa nahita ny namany lavo. Mbola tavela teo, raha ny vaovao hatrany, « ny basy vita tanana sy bala calibre 12, ody ratsy sy antsy “poignard”.  Tamin’ny fizahana ny razana moa no nahafantarana fa isan’ireo dahalo nampitondra faisana ny mponina tany an-toerana ity farany ary efa ela no nikarohana azy. Mbola mitohy ny hazalambo sy ny fanadihadiana any an-toerana, raha ny vaovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici