- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra fiara : Mody hofaina, avy eo hangalarina

Halatra fiara : Mody hofaina, avy eo hangalarina

Isan’ny sehatra iray tena betsaka mampiasa vola ny fampanofàna fiara. Mitombo koa ao anatin’izany ny fifaninana ary dia lasa ady mafy ny hahazoana tsena.  Ao anatin’izay indrindra no mahazo vahana ny fisolokiana. Ankoatra ny fisian’ireo mitsoaka volan’olona izay toa efa lasa mahazatra ho an’ny mpampanofa fiara, misy indray koa ny endrika vaovao dia ny fiara mihitsy no hangalarina amin’ny fomba mihaja. Misy milaza ho birao miantsehatra amin’ny fizahantany ary milaza ho mila fiara maromaro. Misy ny roboka ary nandefa ny fiarany ao anatin’izany. Misy mihitsy ny nividy fiara ary mbola tsy vita akory ny fanovàna anarana dia efa nampidirina hiasa ao ny fiara. Iny vao mainka nanamora ny asan’ny mpisoloky mpangalatra fiara. Toy ity tranga iray, nampanantenaina asa lavareny ny tompon’ny fiara vao novidiana ary dia voajono tokoa. Nandeha ny fifanarahana rehetra ary rehefa nandeha ny fotoana dia sady tsy nisy vola niditra no tsy hita mazava ny momba ny fiara. Rehefa nohamarinina dia efa namidin’ilay olona niandraikitra ny fanofàna izany. Mandeha ny fitoriana amin’izao fotoana ary mandeha ny feo fa tsy matahotra fitsaràna ny mpisoloky ao anatin’ny raharaha. Efa fanaony rahateo ity fomba ratsy ity. 

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici