Simba teo amoron-dàlana ny fiaran’ilay pretra rehefa niakatra ny hafanan’ny motera. Izy anefa maika hampanao lamesa any am-piangonana. Teo indrindra no nipoitra ireo olon-dratsy izay naka endrika mpanavotra. Nolazain’ireo fa mpanamboatra fiara mihitsy ny asany ary afaka manavotra izy ireo. Tratran’ny resaka tsara lahatra dia roboka tao anaty fandrika ilay mpitari-piangonana. Napetrany tamin’ireo olona ny fanalahidin’ny fiarakodia noho ny hamehana hamonjy ny fotoam-pivavahana. Vita ny lamesa, tsy teo an-toerana intsony ny fiara. Teo vao nikoropaka ary nampandre ny zandarimaria miadidy iny fari-piadidiana iny. Tsy ela dia nandeha ny fizaram-baovao anatiny teo anivon’ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa nokarohina dia hita teny amin’ny toeran-kafa ny fiara. Saingy efa nisy fitaovana vitsivitsy nesorin’ireo tsy mataho-tody. Isan’izany ny “autoradio” sy ny “batterie”. Natao ny fanamarinana teny amin’ny zandary ary voaporofo fa ny fiaran’ny mopera tokoa ilay hita. Hafaliana ny an’ilay mpitari-piangonana no sady nisaotsaotra ny zandary rehefa tafaverina soa aman-tsara ny fiara Kangoo izay fampiasany. Tsy kely làlana ny ratsy ary tsy hita eny amin’ny tarehy ny tandroka. Very tanteraka ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-belona noho ny fahantràna sy ny filentehan’ny fanabeazana ary mitady ho lasa kolontsaina ankehitriny ny halatra.
D.R