- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrambo : Vaky fasana, tsy nisy niangana ny fitaovana sy ny taolana

Ambohitrambo : Vaky fasana, tsy nisy niangana ny fitaovana sy ny taolana

Na dia eo tokoa ny ranty maro samihafa tamin’ny tambajotra sosialy izay nilaza fa karazana fisolokiana bevava ihany ity resaka taolam-paty dia tsy mahasakana ireo olon-dratsy hanao ny asa ratsiny ihany izany. Teny amin’iny faritra Arivonimamo iny, tao amin’ny kaominina Ambohitrambo dia fantatra fa fasana telo be izao no vaky teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohitrantenaina. Ny roa tamin’ireo no fantatra ny tompony, raha ny iray kosa tsy fantatra na an’iza na an’iza. Araka ny fampitam-baovao azo, ankoatry ny razana izay nikorontana tanteraka, ny taolam-balo izay saika nanjavona avokoa, dia nataon’ireo olon-dratsy fahirano ihany koa ireo fitaovana isan-karazany, nampombaina ireo olona lasan-ko razana. Marihana hatreto fa tsy fantatra mazava izay fotoana nanaovan’ireo mpangalatra taolam-paty izany asa ratsy izany. Ny fasana efa nidanadana no nanaitra ireo mponina teny an-toerana ka nampandrenesana haingana ny zandary. Ireto farany moa, izay nidina avy hatrany teny an-toerana niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny tanàna nanao ny fijerena ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Nisy ihany koa ny fanentanana ny mponina sy ireo tompom-pasana lavitra mba ho mailo hatrany, ny amin’ireny fasana lavitra tanana ireny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici