Tranga tsy mbola niseho tao amin’ny tanànan’Ambodisaina ny zanaka nidaroka, saika hamono ny ray niteraka azy, izay mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina misotro ronono. Nodarohany tamin’ny hazo (bois rond) ny lohan-drainy, ka ireo fokonolona no nitondra azy tany amin’ny hopitaly manarapenitra Morafeno, nanavotra ny ain’ity raim-pianakaviana ity. Raha ny fanazavana azo dia resaka finday no nampifamaly azy mianaka ka raikitra teo ny ady teo amin’ny roa tonta. Taorian’izay dia lasa nifoka zava-mahadomelina ilay zanany, ka raha tafaverina avy any dia raikitra ny ady ka nodarohany tamin’ny vatan-kazo mafy be ny lohan-drainy ary torana tery ilay rangahy 72 taona. Raha naheno izany ny fokonolona dia nanenjika ity tovolahy mamon-drongony ity sy nitondra ilay rangahy tany amin’ny hopitaly. Voasambotra ihany ilay tovolahy na niezaka ny nandositra aza, ka nofatoran’ny olona, talohany nitondrana azy teny amin’ny mpitandro ny filaminana.
Ankilan’izany dia nitrangan’ny famonoana sy fampijaliana olona koa tao amin’ny tanànan’i Vavatenina. Olona tratra namaky trano ity niharan’izany tao amin’ny kaominina Andasibe, ka nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny delegen’ny boriborintany, ka notazonina tao amin’ny fonjakelin’ny boroborintany. Nandritra io fihazonana azy tao amin’ny kaominina io dia naheno ny kiakiaka mafin’ingahy Risko ny fokonolona niandry teo ivelan’ny biraon’ny kaominina, satria nasaina nivoaka izy ireo ary nidina ny biraon’ny kaominina. Rehefa alina ny andro dia nanati-bary ny vadin’Ingahy Risko, saingy nahazo fandrahonana, nefa mbola niandry teo ivelany ihany. Navoaka ihany nony farany Ingahy Risko, nefa tsy nandingana 50m akory, hoy ny vadiny, dia nidaraboka tamin’ny tany ary maty avy hatrany.
Tsy nanaiky mora ny fianakavian’ny maty fa naka manam-pahaizana momba fizahana ny maty izy ireo, ka fantatra fa maty noho ny daroka Ingahy Risko, hoy izy ireo. Nampanantsoin’ny zandary teto Toamasina ilay lehiben’ny boroborintany tany an-toerana, taorian’ny nahasombarana ireo mpiasan’ny kaominina roa lahy isan’ny mpidaroka. Nitsoaka ny tenany taorian’izay ary niezaka niafina teto Toamasina, nefa noho ny fahaizan’ny zandary dia voasambotra tamin’ny trano fandraisam-bahiny ilay lehiben’ny boriborintany.
Ho hita ny tohin’ny raharaha fa vono olona niniana natao no anenjehana ireto olona voasambotry ny zandary ireto, ka andrasana izay didy havoakan’ny fitsarana mikasika ity tranga tao Andasibe Vavatenina ity sy ilay tranga tao Ambodisaina.
Malala Didier