- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMantasoa : Nadoboka eny Tsiafahy ilay namono ny ralahiny nanana olana ara-tsaina

Mantasoa : Nadoboka eny Tsiafahy ilay namono ny ralahiny nanana olana ara-tsaina

« (…) Somary misy olana kely ara-tsaina itompokolahy ka miteraka fahasorenana ho an’ity mpiray tampo mikamban-trano aminy ».

Tantaran’i Kaina sy Abela tena izy no nitranga tao Anjozo/Est, tany amin’iny distrikan’i Mantasoa iny ny herinandro lasa teo. Ny andron’ny 21 novambra lasa teo mantsy, dia lehilahy iray no hita faty : rotidrotiky ny zava-maranitra ny tarehiny sy ny tongony. Niniana novonoina ary tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy no mamitàna izany, araka ny fahitàna ny razana  raha ny nambaran’ireo mpitandro filaminana.

Vantany vao naharay ny vaovao tamin’ny alalan’ny sefo fokontany tany an-toerana moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Mantasoa dia nidina tany an-toerana, nijery ifotony zava-nisy ary nanokatra avy hatrany famotorana, satria vono olona no nitranga.

Niantefa avy hatrany tamin’ny olona akaiky an’ity farany ny ahiahy rehetra. Olona mpiray trano aminy ihany, izay tsy iza fa ny rahalahiny. Nisy avy hatrany ny fandehanan’ny zandary tao amin’io trano io ary mbola hita ho nihoson-drà ny tanan’ingahirainy, niaraka tamin’ny lamba firakarony. Zandrin’ity lehilahy hita faty ity iray tampo, io mbola nisohon-drà io. Teo no ho eo ihany dia nentina nihazo ny biraon’ny zandary ity farany ho amin’ny famotorana azy.

Tsy afa-nandà intsony ity farany ary niaiky fa izy ihany no namono nahafaty ity rahalahiny, noho ny tsy fahazakàna intsony ny nataon’ilay iray tampo aminy, izay nikamban-trano tao. Tsy vitan’izy irery anefa ny famonoana ity nifanapa-tsinay fa niaraka tamin’ny olona roa mpiray tsikombakomba aminy ny lehilahy. Ny ampitson’ny nisamborana iry rahalahin’ny maty ihany moa dia voasambotra ihany koa ireto roalahy ireto niray petsapetsa tamin’ny vono olona ireto. Omaly izy ireo no natolotra teny anivon’ny fitsaràna, raha ny fampahafantarana nataon’ireo mpanao fanadihadiana.

Ny alatsinainy teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Mazava ho azy, tsy nisalasala ny mpitsara mpanao famotorana, nandefa azy ireo avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici