Hataraina ny an’ireo mponina any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, rehefa nandre ny zava-nitranga teo amin’ireo Zatovolahy nifamaly niafara tamin’ny fifampikapana zava-maranitra, teo amin’izy roa lahy. Raha ny fampitam-baovao am-bava voaray hatrany dia ny harivan’ny faha-21 Novambra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny fito ora no nahazo fampandrenesana tamin’ny Sefom-pokontany, ao amin’ny tanàna atao hoe: Maromiandra, any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ireo Zandary any an-toerana momba ny fifamaliana nisy, ka niteraka ady teo amin’i Lazasoa sy Mara, izay nahavoakapakapa ny lohan’i Mara, ka nahafaty azy. Nidina teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny Zandary sy ny mpitsabo, saingy efa vatana mangatsiaka tsy nihaina intsony no tazana nandritra izany. Nosamborina avy hatrany ny navanon-doza taorian’izay. Efa nomena ny fianakaviany kosa ny razana. Notanana natao andrimaso ao amin’ny borigady ny Zandary i Lazasoa no hatao famotorana ny antony nanovan’izany. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Ratantely