Niova ny fanaon’ireo jiolahy mpamaky trano amin’izao eto Toamasina, satria raha moto sy tuc-tuc no fampiasan’izy ireo teo aloha, dia efa niova mampiasa fiara mihitsy izy ireo amin’izao, hitaterana ireo entana angalarina. Tranga iray no niseho tamin’ny fokontany Andranomadio P/elle 11/45 ny maraina ben’ny alatsinainy tokony tamin’ny 03 ora tany ho any. Jiolahy maromaro izy ireo no niaraka ka avy hatrany dia nidiran’izy ireo ny tokantranon’olona roa samy hafa tao amin’ity fokontany ity, ka rahonany tsy misy mahazo mihetsika ireo olona ao an-trano rehetra, hatramin’ny zaza sy ny ankizy, mandritra izany. Alainy avokoa ireo entana mora bataina sy amidy ary vola sy ny firavaka ao anaty ny trano idirany. Raha vita izany dia lasa ireto jiolahy miaraka amin’ny fiara ampiasainy. Taitra tamin’izao tranga izao ihany koa ny mpitandro ny filaminana, ka nandray ny fepetra manomboka izao araka ny baikon’ny lehibeny amin’ny fanaraha-maso ireo fiara madinika miditra lalam-pasika kely ireny, mba hamantarana ireto andiana jiolahy hafa kely sy moderina ireto. Nambaran’ny polisim-pirenena fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho tratran’izy ireo ireto jiolahy mpampahory vahoaka ireto. Efa miha akaiky koa ny fetin’ny faran’ny taona ka vao mainka mitombo ny hetsika fanaon’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fifehezana ny fandriam-pahalemana fanaony.
Malala Didier