- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiantsonan’ny taxibrousse : Tokotanin’ireo mpivarotra rongony

Fiantsonan’ny taxibrousse : Tokotanin’ireo mpivarotra rongony

Efa tsy vitsy intsony angamba no mahalala fa eny amin’ireny toerana fiantsonan’ny taxi-brousse na « terminus » ho an’ny taxibe ireny no tena ahitàna ireo olona midoroka rongony. Izany toe-javatra izany indrindra no nanaovan’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (STUP) be midina teny amin’iny fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karàna, ny andron’ny talata lasa teo. Vokany efatra mianadahy be izao no tratra ! Eny, misy vehivavy mihitsy miroboka ao anatin’ity sehatra ity. Tsy mpifoka ihany mantsy izy ireo fa anisan’ny mibizina ihany koa. Satria araka ny filazan’ny pôlisy hatrany dia mbolata tratra tany amin’izy ireo ny fonosana rongony (bômba) nahatratra hatrany amin’ny 250 fonosana tany ho any. Tombanana any amin’ny dimy alina sy fito hetsy ariary any ho any, raha raisina amin’ny vidiny farany ambany 3.000 ariary ny iray.

Ankoatr’ireto teny amin’ny Fasan’ny karàna ireto dia voalaza ihany koa fa nisy mpibizina rongony iray ihany koa voasambotra teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, tamin’io andro io ihany. Tratra tao an-tranony indray ingahirainy, niaraka tamin’ny fonosana rongony 36 isa teo.

Nogiazana avy hatrany moa ireto entana ireto. Nentina natao fanadihadiana kosa izy dimy voasambotra ireto, ary ho atolotra ny Fampanoavana ato ho ato, aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici