- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanefy : Mpivarotra iray notafihan’ny jiolahy mirongo kalaky

Ampanefy : Mpivarotra iray notafihan’ny jiolahy mirongo kalaky

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, ny talata alina lasa teo. Jiolahymiisa folo, nirongo kalaky, no indray nanafika tao amin’ny tokantranon’ny injerniera iray teny an-toerana. Araka ny vaovao voaray dia nanao amboletra niditra mangingina tao amin’io tokantrano izy ireo, ka tao ambany rihana no nitsofohany. Nokapainy tamin’ny famaky ny varavaran-kely, araka ny loharanom-baovao hatrany, ka raha vao nisokatra dia naka izay zakany izy ireo. Raha ny fantatra hatrany dia natory tao ambony rihana kosa iretsy tompon-trano ka tsy hitan’ireo olon-dratsy. Afaka niantso ny mpitandro filaminana soa aman-tsara, araka izany, iretsy voalohany. Tonga ara-potoana teny an-toerana kosa ireo mpitandro filaminana raha vao nahare  ny antso vonjy. Tafaporitsaka ihany anefa ireo olon-dratsy rehefa avy nanapoaka basy in-telo, raha ny fanazavana azo hatrany. Lasan’izy ireo kosa ny vola mitentina eo amin’ny roa hetsy ariary eo, miaraka tamin’ny sakosy, tsy misy na inona na inona, izay mety ho noheverin’ireo jiolahy fa nisy solosaina. Misokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo, raha ny vaovao voaray hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser