- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Fakàna an-keriny, mitohy ny hazalambo

Tsaratanàna : Fakàna an-keriny, mitohy ny hazalambo

Mitohy ny hazalambo ataon’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy matanjaka hoan’ireo jiolahy manao asa fakana an-keriny. Taorian’ny fanehoana ireo olona efa-mianaka nalaina an-keriny, navotsotr’ireo olon-dratsy, 16 andro aty aoriana, dia mipariraka sy manao hazalambo hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy matanjaka. Tonga fofona ary tsy milavo lefona ny Zandary, izay manao fizarazarana any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny, amin’ity resaka fankana an-keriny manao sesilany any an-toerana ity, na ihany koa amin’ireo jiolahy milaza azy ho Dadany. Mitohy ny fisafoana, ireo faritra kizo mety fiarehan’ny jiolahy, eo anelanelan’Ambolosy/Ambakireny sy Sarotramalona/Marotsopoy, fokontany Bemololo, hatrany Mahabe, indrindra ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, ary ny disitrikan’i Tsaratanàna iray manontolo mihitsy, hoan’ny tapany atsimo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici