- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Mpitondra taximoto sy mecanicien, mpangalatra moto

Ambohipo : Mpitondra taximoto sy mecanicien, mpangalatra moto

Nitrangan’ny fahaverezana môtô teny amin’iny faritra Ambohipo iny ny faran’ny volana lasa teo. Ny ampitson’io ihany, hitan’ny pôlisy ilay môtô very, tsy lavitra fa teo amin’ny « trois chemins » teo Ambohipo ihany. Mpanao taximoto sy mecanicien no teo amboniny. Io ilay efa nahian’ny maro amin’ity resaka taximoto tsy manara-dalàna ity, satria toa izay rehetra manana môtô amin’izao dia lasa manoko ny azy eny amin’ireo toerana be olona. Ankoatra ny resaka fanendahana ataon’ny sasantsany amin’izy ireo dia anisan’ny mampirongatra ny halatra môtô eto an-drenivohitra ihany koa ity resaka ity. Maika moa fa miaraka amin’ireto mpanamboatra môtô isaky ny elakelan-trano ireto, ireo mpivarotra faktiora sandoka, sns dia azo antoka ny tsy ahitàna intsony izay môtô very. Tamin’ity tranga teny Ambohipo dia tena nanao ny asany ny pôlisy. Ny harivan’ny 28 novambra lasa teo mantsy no nahazo fampandrenesana ny pôlisy fa nitrangan’ny halatra môtô teny an-toerana. Nisy avy hatrany ny fikarohana nataon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa ary ireo voapaingotra ireo, ireo mpangalatra : lehilahy 23 taona, izay mpanao taximoto eny an-toerana ary lehilahy hafa 29 taona, mpanamboatra môtô. Azo antoka fa raha dila kely ny fotoana nahitàna izany kodiaran-droa very izany dia efa tsy nisy azo namantarana azy intsony ny « entana ». Fa mbola resaka halatra môtô ihany, lehilahy iray hafa ihany koa no voasambotra teo amin’ny “rond point” Ankadimbahoaka, ny andron’ny alahady teo. Môtô halatra ihany koa ity nentin-dranamana, izay voalaza fa very teny amin’iny faritra Tsimbazaza iny ny alin’ny sabotsy lasa teo. Efa samy nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria misahana ny fanadihadiana avokoa moa ry zalahy mpangalatra môtô ireto ho amin’ny famotorana azy ireo, alohan’ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici