- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakinina Hopitaly be : Trano na kolonely indroa nidirana andian-jiolahy

Analakinina Hopitaly be : Trano na kolonely indroa nidirana andian-jiolahy

Tena azo lazaina hoe fasahiana goavana ny an’ireto andian-jiolahy niditra ny trano na manam-boninahitra ara-miaramila monina ao amin’ny fokontany Analakinina Hopitaly be ity. Hatreto dia indroa nidiran’ireto andian-jiolahy ireto ity trano ity, fa tamin’ity farany dia tratra teo am-pibatana ny entana tao an-trano ireo andian-jiolah, toy ny fahitalavitra – lambam-pandriana – varavarana – … ary ireo kojakojan-dakozia samy faha. Niantso vonjy ireo nahita ity tranga ity ka taitra nahita izany ireo andian-jiolahy, ka adinony teo ambony latabatra ny basuy fampiasan’izy ireo. Niverina nitady ity basy ity ireo jiolahy saingy tsikaritry ny olona ny fananihan’izy ireo ny rihana ambony, ka nitsoaka ireo andian-jiolahy raha niantso vonjy ireo manodidina. Noheverina fa saika haka ilay basy adinon’ireto andian-jiolahy izy ireto saingy tsy azony ilay basy noho izy efa notehirizin’ilay tompon-trano. Nandray fepetra ilay kolonely ka nasainy nifindra toerana ny vady aman-janany hisorohana ny mety zavatra hafa hitranga, ka tsy lavitra an’ilay toby nisy azy ireo ihany no nametrahany azy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici