- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe – Feno 25 taona ny ESSVA

Antsirabe – Feno 25 taona ny ESSVA

« Ecole Supérieur Spécialisé du Vakinankaratra” na ESSVA  dia sekolim-pinoana iray isan’ny goavana eto amin’ny faritra Vakinankaratra. 60 no isan’ny mpianatra tany ampiandohana raha toa ka 900  izy amin’izao fotoana. Sampam-piofanana miisa 6 no misy, efa  misy koa ny diplaoma Master ao amin’ny ESSVA.

Fano 25 taona namolavolana sy nanofanana ny sekoly ankehitriny, nisy ny hetsika nentina nanamarihana izany ny zoma 29 Novambra lasa teo.

Sorona masina lehibe tao amin’ny Notre dame de Lourde Miaramasoandro no nanokafana ny fotoana tamin’ny fomba ofisialy, tamin’io ihany koa no nanokafana ny taom-pianarana 2024-2025. Narahina fampisehoana horonan-tsary mirakitra ny tantaran’ny sekoly ny fotoana, ary ny fitokanana ny tsangambato faha 25 taona.

Reherahan’ny faritra ny fanana sekoly ambony tahaka itony hoy ny governoran’ny faritra tonga nanome voninahitra ny fotoana, maro ireo mpianatra nivoaka tato amin’ny ESSVA hoy izy no mpiasan’ny faritra ary mahomby izy ireo.

Raha tsiahivina, ny 6 Desambra 1999 no niorenan’ny ESSVA voalohany , ny volana Jolay 2025 kosa no hikatona ny taom-pankalazana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici