- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsahameva : Telolahy nahatratrarana « skunk» 30 fonosana

Antsahameva : Telolahy nahatratrarana « skunk» 30 fonosana

Ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina dia misy hatrany ny hetsika ataon’ny pôlisin’ny Stup, entina hamongorana ireo fanetriben’ny firenena. Ny herinandro lasa teo dia fantatra, tamin’ny alalan’ny fampitam-baovaon’ny pôlisy fa nisy mpibizina rongony mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe « skunk » teny amin’iny faritra Antsahameva, Ankatso iny. Tra-tehaka ry zalahy ireto noho ny angom-baovao azon’ny pôlisy ary nahafahana nanara-maso azy ireo. Tamin’ny fotoana nisamborana azy ireo moa, raha ny voalaza hatrany, dia mbola nahitàna « skunk » nahatratra hatrany amin’ny 30 fonosana tany amin’izy ireo. Telo lahy ireto voasambotry ny pôlisy ireto izay efa samy nadoboka am-ponja avokoa, taorian’ny fakàna am-bavany azy ireo teny amin’ny biraon’ny pôlisy.

Marihana fa ankoatra azy telo lahy ireto dia nisy lehilahy iray hafa ihany koa voasambotra teny Ankadimbahoaka teny, rehefa nahatratrarana rongony « cristal » fantatra amin’ny hoe méthamphétamine (meth) nilanja teo amin’ny 5 grama teo tany aminy. Efa niaraka nadoboka eny Antanimora avokoa moa ry zalahy ireto.

Anisan’ny fositra iray manimba ny fiarahamonina ary mahatonga ireo karazana tsy fandriam-pahalemana isan-karazany tokoa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny. Dia mahagaga sy mahazendana anefa fa na dia eo aza ireo voasambotra, dia  misy foana ireo mipoitra hafa, mpibizina, mpivarotra ary mpihinana. Ary ny tena mampalahelo dia miha-mahery vaika hatrany ireo rongony mihodinkodina sy miparitaka eto amintsika. Raha ity karazany iray, « skunk » ity izao dia azo lazaina fa vao haingana ihany no tafiditra teo. Rongony safiotra sy namboarina manokana izy io mba hanatombo bebe kokoa ny tahan’ny THC (singa simika maha rongony azy) ao anatiny. Toraka izay ihany koa ny « cristal de meth ». Ny mahasamihafa azy ireo fotsiny dia ny iray zava-maniry ary ny iray vokatra simika namboarina tanaty laboratoara.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici