Mitaky vola mitentina iray tapitrisa ariary izay saran’ny fisoratana anarana. Izay no fomba fisolokiana mitranga. Izany dia mahakasika ny lavanty ampahibemaso hotanterahin’ny ladoany Toamasina manomboka ny 12 desambra ho avy izao. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa tsy mitombina izany fangalàna vola mialoha izany ary tsy misy ihany koa ny fisarotana anarana mialoha ary endrika fisolokiana avokoa izany raha misy. Etsy andanin’izany, efa mazava tsara ny fepetra rehetra hahafahana mandray anjara amin’ity lavanty ity dia ny fanaovana tolotra manokana ary miafina izany. Izay sahy lafo indrindra any amin’ny tolotra napetrany no mahazo ny entana voakasiky ny varotra amin’izay mahasahy ambony indrindra. Sady mipetaka afisy ny momba izany no miparitaka amin’ny rohy samihafa koa. Midika izany fa misy ireo olona izay tsy mamaky ary izy ireny no mety ho voajonon’ireo mpisoloky mora foana.
D.R