- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazomà – Maevatanàna : Rasazy misotro ronono, naolana sy novonoina tao an-tranony

Mahazomà – Maevatanàna : Rasazy misotro ronono, naolana sy novonoina tao an-tranony

Nanakoako eran’ny an-tampon-tanàn’i Mahazomà ny fandrenesan’ireo mponina ny fatin’ilay mpampivelona, efa misotro ronono nisy nanolana tao amin’ny trano fonenany. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandary eto Betsiboka hatrany dia nitaraina makasika ny fahaverezana telefaonina, tany amin’ny filoham-pokontany any an-toerana ny mpampivelona iray, tamin’ny fahavelomany. Taorian’izay no nampandre ny Zandary, ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahazomà ny filoham-pokontany, rehefa tsy tonga nanatona azy ny mpampivelona fantatry ny maro amin’ny fiantso hoe: rasazy Pierrette, tao anatin’ny andro maromaro nitondrany fitarainana. Noezahin’ny mpitandro ny filaminana nantsoina ihany ny findainy, saingy talanjona izy ireo, rehefa nisy nandray izany no nilaza ny anarany sy ny toeram-ponenany ity farany no sady nanamafy hatrany, fa novidiany tamin’olona teo amin’ny manodidina azy ny telefaonina. Rehefa azon’ireo Zandary ny telefaonina dia naterina nalaky teny amin’ny tompony, kanjo taitra tampoko ihany koa raha nahita ny varavarana nihidy avy ao anatiny ny mpitandro ny filaminana sy ny ben’ny tanàna mpisolo toerana. Noezahina navory avy hatrany ny olona mifanila trano aminy, ary niteny ho tsy nahita azy mihitsy ny mpiara-monina. Nojerena nalaky ihany koa ny manodidina, ka teo no nahitana ny varavaran-kely nisokotra. Ny vatana efa nitsirara miboridana tsy misy lamba tao an-tranony, sy ny entana nikorantana ambony ambany no tazana avy aty ivelan’ny varavaran-kely. Nosamborina ihany koa ireo telo lahy volaza fa nivarotra ny findainy, ary niaiky ny heloka vitany nandritra fanadihadiana natao, moa izy telo lahy, sady nanondro an’ilay lehilahy lehibe tompon’antoka tamin’ny famonoana ny mpampivelona efa misotro ronono. Taorian’izay dia nomena ny fianakaviany ao amin’ny fokontan’Antanadava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny razana. Izy efatra nahavanona ny loza kosa dia nitazomina natao andrimaso ao amin’ny zana-tobim-paritra, any an-toerana hatao famotorana. Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici