Tsy mba toy ny « anadahin-drenin’olona » mpampifalifaly ny zanak’anabaviny ity ranamana ity fa olon-doza tsy fampiditra an-trano. Tao Mantasoa tao mantsy, rehefa tsy eo ny renin’ilay zaza, dia hampiharan-dranamana ny habibiany ilay ankizivavy kely. Tambatambazany ary hidiny ao an-trano sy hanatanterahany ny filan-dratsiny. Fantatry ny renin’ilay ankizivavy tsara izany, saingy raha ny filazan’ny zandary dia mahazo fandrahonana ho faty ity anabaviny raha vao misehoseho hitory azy eo. Ary ny tena loza dia tsy vao io ankizivavy 11 taona io no nampiharan-dranamana ny filan-dratsiny fa efa nisy ankizivavy roa tamin’ny fianakaviany novetavetainy, saingy najanona ho raharaham-pianakaviana.
Tonga teny ampoto-tsofin’ny zandary moa ny tranga ny raharaha ka niafara tamin’ny fisamborana ilay lehilahy. Efa natolotra ny fampanoavana ingahirainy ary nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L