Tovovavy iray 20 taona no voatery nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanetibe Mahazaza ny andron’ny alakamisy teo, noho ny resaka vono olona feno habibiana. Tsy iza fa ny zanany, izay vao zaza menavava no nampiharany izany, araka ny loharanom-baovao. Nateraka avy eo novonoina ! Nihoson-drà ny vavany ary notsatohana hazo ny tarehin’ity tsy manan-tsiny. Tranga mampihoron-koditra tahak’izany no hitan’ny fokonolona, tao Ankadisarotra, kaominina ambanivohitr’i Mahabo, any amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny, ny andron’ny alarobia maraina teo. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra ny tanàna ary niaraka nilatsaka teny amin’ny toerana, nisian’izany, niaraka tamin’ireo mpitsabo. Teo no nahalalana fa zazarano izy io saingy efa hary soa aman-tsara, izany hoe efa tena olombelona tanteraka ity nanary sy novonoina ity. Niantefan’ny ahiahy avy hatrany ny reniny nitondra azy an-kibo ary natao ny fikarohana rehetra. Tsy ela dia fantatra ity vehivavy ity, izay mbola tovovavy 20 taona. Nosamborina avy hatrany ary nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny zandary. Ho atolotra ny Fampanoavana aorian’ny fakàna ambany azy. Nanamarika moa ny teo anivon’ny zandary fa azo henjehina ho mpamono olona ary heloka bevava eo anatrehan’ny lalàna ny mamono zaza nateraka. « Raha mbola tsy vonona ny hitondra vohoka sy hitaiza ianareo dia aza miditra amin’ny firaisana ara-nofo na rehefa tsy tàna dia manatona mpitsabo mampianatra anareo ny fandrindràna ny fiterahana fa azo sorohana izany » hoy ny fananaran’izy ireo.
m.L