- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Famatorana zaza, niafara tamin’ny fandrobàna

Antsirabe : Famatorana zaza, niafara tamin’ny fandrobàna

Nisehoana savorovoro tao amin’ny fokontany Fiandanana Antsirabe ny harivan’ny Alatsinainy lasa teo. Rava tao anatin’ny ora vitsy monja ny fanan’olona iray mitentina amina miliara. Ankaotra ny fananana rehetra tao an-trano dia tapitra norobain’ny olona avokoa ny biby fiompy rehetra toy ny kisoa am-polony maro, tsy vitan’izay fa hatramin’ny varavaran-kazo dia tapitra norobain’ny fokonolona avokoa. Zaza iray no voalaza fa nanimba ny voninkazon’ilay ramatoa tao an-tanana; tezitra ity farany ka nafatony tao an-tokotaniny ilay zaza tsy nanan-tsiny. Nanafatra ny mpiasany ilay ramatoa ny tsy hamoahana ilay zaza raha tsy amin’ny fiverenany avy miantsena. Hiakiaka sy toman’ilay zaza no nanaitra ny manodidina ka nahatonga ny olona nijery tao an-tokotan’ilay tanana. Niantso mpitandro filaminana ny vahoaka nijery ny zava-misy, tonga teny an-toerana ireto farany ka mbola nifatotra tokoa no nahitana azy tao. Nentin’ny mpitandro filaminana ny tompon-trano niaraka tamin’ilay zaza hanaovana ny fanadihadiana. Etsy an-daniny efa vory ny fokonolona maro be niaraka tamin’ny horakoraka. Vetivety dia niely ny tsaho, nisy nanambara fa mpangala-jaza ny tompon-trano. Vao nanomboka nody ny masoandro ny mpitandro filaminana tsy teny an-toerana intsony dia nanomboka ny fandrobana nataon’ireo andian’olona maromaro, tsy nisy niangana intsony fa rava ny fanana rehetra, rindrina sisa nijoro tamin’ilay tanàna tsara tarehy. Izany dia vokatry ny tsaho niely, nanambara ny mpitandro filaminana fa tsy an’ny vahoaka ny fitsarana fa misy tompon’andraikitra napetraka ho amin’izay. Tsy hijanona eo ity raharaha ity fa mbola ankatoky ny fifidiana ny tany sy ny fanjakana. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana rahateo ny raharaha.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici