Tsy vao sambany no nisy manary tay toy izao manodidina an’Andranomafana, tranga mpiseho matetika izy ity. Ireny tay avy noloarana tamin’ny lavapiringa feno ireny no atao amin’ny gony dia ariana eny amoron’arabe ao Andranomafana ao. Nisy fotoana efa nanaovan’ny olona andrimaso ihany izy ity saingy tsy nisy tohiny, ny tompon’andraikitry ny tanàna rahateo tsy dia rotitra loatra fa mifanilika andraikitra. Tsy azo adinoana anefa fa toeram-pitsaboana ity toerana ity, toeram-pialamboly ihany koa satria misy ny “espace masikita” izany hoe toeram-pisakafoanana koa. Mety hitera-doza amin’ny valan’aretina samihafa indrindra amin’ny vanim-potoana’ny orana tahaka izao. Ankoatra izay, mitaraina ireo mpanasa lamba satria eo toeram-piasany mihitsy, efa nisy nandray tay, ny fofona tsy lazaina intsony. Manome endrika ratsy ny tanàna ny zavatra tahaka itony, ary mety atahorana mafy amin’ny fiparitahan’ny aretina. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny mponina eny amin’ny manodidina satria efa tsy rariny loatra no ataon’ireo olona sasany mandoto no manimba tanàna. Fantatra fa andian-jatovo no manao azy ity, sarety tanana no ampiasany hitaomana tay, indraindray atao amin’ny bidon, indraindray atao amin’ny gony, karamain’olona izy ireo. Tsikaritra ihany koa fa dia misavovona ny fako eto antapontanànan’ Antsirabe sy ny manodidina, efa manasaka ny arabe mihitsy aza ny sasany miaina anaty fako ny mponina, antenaina ny hisian’ny vahaolana maharitra haroson’ny mpitondra fanjakana.
Andry N.