- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Fanafihana mitam-piadiana vao maraina

Toamasina : Fanafihana mitam-piadiana vao maraina

Vola mitentina 20 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Teo Tanambao V no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana. Lehilahy telo mitondra poleta ary mitaingina moto no tompon’antoka. Olona mpivarotra ambongadiny “poulet de chair” kosa no voatafika raha handeha hanokatra tsena vao maraina. Izany dia manodidina ny tamin’ny valo ora maraina teo no nitranga omaly. Vao niseho ny basy dia tsy nisy na inona na inona azo natao intsony, tsy nisy fanoherana mba ho fiarovana ny aina tsy handeha. Azo heverina ho efa hain’ireo jiolahy ny fisian’ity vola natao tao anaty gony ity. Tao anatin’ny fotoana fohy dia vita ny fandrobàna ary vetivety foana koa ireo dia tsy hita teo niaraka tamin’ny kodiaran-droa. Tonga teo ny mpitandro ny filaminana ary niezaka ny nisafo ny manodidina. Isan’ny faritra mena amin’ny fanafihan-jiolahy ankehitriny i Toamasina ary tena misesy izany na dia maro koa aza no efa voasambotra sy voatifitra. Ny tsikaritra koa dia mampiasa kodiaran-droa hatrany ireo olon-dratsy matetika ary tena tsy miahotra ny mitifitra. Mitondra basy hatrany ireo ary efa nahafaty olona nandritra ny fanafihana. Mila manamafy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny manam-pahefana ao an-toerana, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izay tena mampirongatra ny jiolahy izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici