- Publicité SW45 -
samedi, décembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Frais de dossier » : Endrika fisolokiana vaovao

« Frais de dossier » : Endrika fisolokiana vaovao

Marobe ny haranjonon’ny mpisoloky amin’ny tambajotra sosialy. Isan’ny matetika amin’izany, rehefa mandroso ny resaka, dia ny fitakiana saran’ny fampidirana ny dosie ary halefa amin’ny finday ny vola. Vao lasa izay dia manjavona ny mpisoloky ary maty ny finday. Isan’ny tranga voakasik’izany ny olona mitady mpanjana-bola ary miantefa amin’ireo olon-dratsy. Fa tsy voatery amin’ny tambajotra sosialy ihany anefa fa misy ireo olona izay sahy mihaona mivantana kanefa mpisoloky. Betsaka ny efa niharan’izany. Ao ireo voarebireby fa mahavita “visa” handehanana any ivelany. Ao koa ireo milaza fa afaka manome asa any ivelany ary hatramin’ny “visa” aza dia izy ireo no mikarakara azy. Tsy lazaina intsony ny hoe mahavita mampiditra ho mpiasan’ny minisitera. Mitovitovy avokoa ny fomba fiadin’izy ireo dia ny fitakiana vola mialoha mba hampidirana ny dosie. Raha vao izay no fitrangany dia efa tokony ho mailo ny olona. Na izany na tsy izany, efa mitady ho kolontsaina raiki-tapisaka ilay mitady olona mba hanamorana zavatra iray. Dia eo no mitsiry toy ny anana ny mpisoloky, ary tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra rehetra.

D.R

 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici