- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Mody namono tena mba hangatahana

Tsiadana : Mody namono tena mba hangatahana

Omaly maraina tokoa, hatairana ny an’ny rehetra tetsy Tsiadana, raha nahita ity tranga « nampihoron-koditra » ity : vatan’olona nifono lamba, nisy nanary teny an-toerana ! Nampandrenesina avokoa ny tompon’andraikitra ny tanana sy ny mpitandro filaminana ary nidina teny an-toerana. Rehefa nojerena ifotony anefa, ny zava-nisy dia fantatra fa « tsy vatana mangatsiaka nofonosina sy nisy nanary akory izy io » fa olona mody namono tena ary izy tenany ihany, hoy ny vaovao hatrany, no nifono tao anatin’io lamba io. Ny tanjony dia mba hangorahan’ny olona azy. Hanao tsipaipaika ny rehetra, hanome sakafo sy vola ary lamba ho azy. Efa tsy zoviana amin’ny mpitandro filaminana intsony ity olona ity sy ny fikafikany, raha ny fanazavana azo satria dia efa maro ny toerana nanaovany izany paikady izany, raha ny hita tao amin’ny rantin’ny pejy ofisialin’ny zandary eto Antananarivo. « Sarin’ady » daholo izany hoy ireo mpitandro filaminana entina hangatahana fotsiny ihany. Samy manao izay saim-patany tokoa ny rehetra amin’izao ankatoky ny fety izao, entina hahazoana vola maimaimpoana. Mila mailo fotsiny ny rehetra fa ny an’ny sasany efa teti-dratsy sy fisolokiana ary halatra no hampiasainy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici