
Tsy niherina akory ny taona, hoy ny teo anivon’ny zandary, nahatratrana azy teo am-pangalarana vilany dia efa io indray fa tra-tehaka fanindroany, teo am-pangalarana… vilany ihany !
Izany tokoa angamba ny hoe tanana efa zatra nitsotra ! Ny 14 jolay lasa teo ity vehivavy iray ity no nisy nahatratra, teo Avaratsena Talata Volonondry, teo am-pamakiana hôtely iray teny an-toerana. Nampangain’ny vilany kôkôty maromaro teny aminy izy tamin’izay ka tsy afa-niala intsony, fa dia natolotra ny zandary teny an-toerana. Taorian’ny fakàna am-bavany azy dia natolotra ny Fampanoavana taty an-drenivohitra dia nadoboka tetsy Antanimora, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Azo heverina teto angamba fa mety nisy famelan-tsazy angaha na zavatra tsy fantatra fa dia tafavoaka soa aman-tsara indray taorian’izay.

Dimy volana taty aoriana, ny 15 desambra teo, araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia nahatratra ramatoa iray nangalam-bilany indray ny zandary tao Talata Volonondry. Rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony ity ramatoa ity. Ary ilay efa tratra sy nadoboka am-ponja tany amin’ny volana jolay ihany izy io. Araka ny loharanom-baovao dia efa vita ny famotorana azy ary efa natolotra ny Fampanoavana tetsy amin’ny Ambohitrabiby ny vehivavy. Efa mpamerin-keloka ka tsy nisy alaharo alaharo intsony fa avy hatrany dia nadoboka sy nisantatra ny fonjabe vaovao etsy Avaradrano.
m.L