Tsy tao ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ilay fandrobàna. Ny mpanampy an-trano no niambina ilay toerana. Teo no nanararaotan’ireo olon-dratsy izay tsy mbola voafaritra isa niditra tao anatiny. Raha ny fantatra dia lasa hatramin’ny fiara izay nipetraka teo an-tokotany. Tsy izay ihany fa mbola marobe koa ny kojakojan-tokantrano sy fitaovana ilaina amin’ny asa andavanandro izay lasa. Isan’izany ny solosaina, ny finday, ny fahitalavitra tany amin’ny efitra izay nisy izany, ary koa ny entana maro. Midika izany fa nanam-potoana tanteraka ary afaka nivalampatra ny jiolahy tamin’ity tranga teny Ambohitrimanjaka ity. Ny tena nahavariana tamin’ity fanafihana ity dia amin’ny andro antoandro no nisehoan’izany. Toa ny efa fantatry ny jiolahy mihitsy ny fotoana tsy maha-eo ny tompon-trano raha ny fiheverana azy. Vitsy ihany izany hoe nentin’ny olon-dratsy ny fiara ary mampivarahotsana raha toa ka miverimberina ny tranga toa izany. Azo eritreretina koa mantsy fa izay fiara tian’ny jiolahy alaina izany dia efa mety ho vitan’izy ireo ny manana fanalahidy « passe-partout » hamahana izany. Raha ilay fiara lasa tetsy Ambohitrimanjaka mantsy dia irony karazany efa moderina irony ary tsy ho voavaha amin’izao fotsiny. Nefa dia lasan’ireo olon-dratsy ihany.
D.R