- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntanambao/Bevilany : Omby 110 lasan’ny jiolahy voaverin’ny zandary

Antanambao/Bevilany : Omby 110 lasan’ny jiolahy voaverin’ny zandary

Nandalo fotoan-tsrotra tanteraka ny any amin’ny manodidina ny tanànan’i Bevilany sy Antanambao, ary ny kaominina ambanivohitra Mangabe iny, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, nandritra ny tsy fahitana an’ilay lehiben’ny zana-tobim-paritran’ny Zandary ao Bevilany, izay fantatra amin’ny anarana hoe: Sefo Laza. Nanao izay fomba namerenana an’io Zandary io ny vahoaka tany an-toerana, ary teo no niaina am-pilaminana tsy nisy tebiteby ny mponina. Raha hojerena sy hotantarana tokoa ny zava-nitranga tamin’ny Alakamisy faha-19 Desambra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 01 ora maraina sy dimy minitra dia nahazo antso an-telefaonina tamin’Atoa Lucien, monina ao Antanambao/Bevilany, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano ny Zandary, fa nisy andian-jolahy nirongo basim-borona nandrava ny ombin’izy ireo, tao amin’ny toerana antsoina hoe: Ampirakandrovana, tao Ankara. Rehefa nahazo izany antso ny Zandary misahana ny  » Poste fixe Bevilany, » dia niroso avy hatrany tamin’ny toerana nisian’ny fandravana no nampandrenesana nalaky, ihany koa ny lehiben’ny zana-tobim-paritry ny Zandary, ao Ambalajankomby, mba hanao ny sakana amin’ny toerana handalovan’ireo malaso mitondra ny omby halatra. Tampoka teo dia nifanehitra tamin’ireo dahalo nirongo basim-borona niisa roa sy fitaovana toy ny antsy, ary famaky, nandrava ny omby tao Ankara ny Zandary sy ny vatan-dehilahy, izay notarihan’ny Sefo Laza, tao amin’ny toerana atao hoe: Besakay, tokony 15 kilaometatra tsy hidirana kizo kijanan’i Valinjato. Nisy hatrany ny fifampitifirana noho ny fisian’ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana, ka rehefa tsy nahatotra ireo dahalo dia nandositra. Vokany: azo teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny omby miisa 110 ary efa naverina amn’ny tompony ihany koa izany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra, teo amin’ny Zandary sy ny vatan-dehilahy matanjaka. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Zandary misahana ny zana-tobim-paritra Bevilany, ireo malaso tafaporitsaka.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici