Fanendahana miharo vono … Izany no tena angadin’ireto tontakely mivondrona ao anatin’ny « bande des 8 », mampiteny ny anarany eny amin’iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Nanao ny asany anefa ny pôlisy, miezaka mametraka hatrany ny filaminana amin’izao ankatoky ny fety izao, ka voasambotra ny telolahy tamin’izy ireo, rehefa nanaovana velam-pandrika, ny herinandro lasa teo. Efa natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary nadoboka am-ponja vonjimaika, ny sabotsy teo. Mbola mitohy kosa ny fanjonoana ireo naman’izy ireo hafa.
m.L