Nahitana tranga na fanafihana fivarotana tao Mangarano II mifanakaiky ny orinasa Tsaravintana ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo, ka araka ny vaovao dia 10 lahy be izao no nanao izany, izay nitondra zava-maranitra sy « fusil à bille » na ireny karazana basim-borona ireny. Tsy nisalasala ireto jiolahy fa avy hatrany dia raikitra ny famakiana ilay fivarotana, ka niantso vonjy ilay mpivarotra nandritra izany. Raha nahare izay ilay mpifanila vody rindrina taminy dia nifoha ary niezaka nanavotra ilay mpivarotra voatafika. Mpitondra posy roa lahy no nifoha nandritra izany, nefa vao nivoaka ny varavarana dia izao voatifitra tamin’ny basim-borona na « fusil à bille » izao, ka ranatra mafy tamin’ny vatany ireto roa lahy nivoaka. Raha ny fanazavana dia tsy nisy zavatra lasan’ireto jiolahy tao amin’ilay fivarotana saika nidiranana nanafihana, fa ireto roa lahy no navotana avy hatrany ka nentina hipotaly be notsaboina. Mila vonjy noho izany izy roa lahy izay avy any Antsirabe mitady ravinahitra eto Toamasina, satria misimisy ihany ny vola lany amin’ny fitsaboana azy roa lahy ireto. Efa misy ny fitarainana napetraka amin’ny mpitandro filaminana, ka efa manomboka ny fanaraha-maso ireto andian-jiolahy 10 nanafika fivarotana ireto.
Malala Didier