- Publicité SW45 -
lundi, février 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Jiolahy raindahiny anankiroa tsy nahatratra ny taona vaovao 

Anosibe : Jiolahy raindahiny anankiroa tsy nahatratra ny taona vaovao 

Nivalona niaraka tamin’iny taona 2024 iny ihany koa ny tantaran’i Dora sy Vazaha. Izy roalahy ireto izay isan’ireo mpanendaka mitam-piadina nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra Anosibe iny. Efa jiolahy mpamerin-keloka sy hikoizana amin’ny asa ratsy eny an-toerana rahateo izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.

Raha ny vaovao azo dia ny alin’ny alatsinainy lasa teo izy ireo no nifanehatra tamin’ireo pôlisin’ny hery vonjy taitran’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna. Ireto farany, ny avy eo anivon’ny “Companie Urbaine d’intervention” (CUI) sy « Unité d’Intervention Rapide » (UIR), izay teo am-panaovana ny iraka manokana entina hiarovana ny vahoaka nandritra iny fety iny. Teny amin’iny faritra Anosibe iny ireto pôlisy ireo no nanao ny fisafoana, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Nifanena tamin’ireo roalahy izy ireo, izay hitan’izy ireo fa nanao fihetsika nampiahiahy ka natonona avy hatrany. Zavatra hafa mihitsy anefa no niseho fa vantany fa nanatona ireo pôlisy dia namoaka fitaovam-piadiana, basy, tany am-balahany izy roalahy ary handeha hitifitra. Ny an’ireo pôlisy anefa ny tonga aloha. Ary maty voatifitra vokatr’izay ireto roalahy ireto. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony izy roalahy maty ireto, izay tsy iza fa  ingahy « Dora » sy « Vazaha ». 

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici