Vao nanomboka ny taona dia efa hita niparitaka sahady ny filazana fikarohana samihafa. Sady miparitaka amin’ny tambajotra sosialy izany no mipetaka amin’ny rindrin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana isan-karazany koa. Ao ny mpanodikodim-bola. Toa ny lehilahy iray izay niasa tamin’ny orinasa teto an-drenivohitra ary mpitam-bola ny asany. Nanjavona izy rehefa nanodinkodina tao ary dia izao namoahana « avis de recherche » izao. Ao koa ny lehilahy iray izay voarohirohy tamin’ny halatra ary tsy hita izay nalehany hatramin’izao. Nialohavan’ny fampiantsoana avokoa mba hanaovana fanadihadiana itony filazana fikarohana itony. Rehefa tsy tonga ary tsy hita mihitsy ny ilona voakasika dia voatery ampahantarina ampahibemaso ny fitadiavana. Tamin’ny taon-dasa teo dia tena nirarakopana ny fikarohana olona. Ny tena betsaka, ankoatra ny halatra sy fanafihana izay efa mahazatra, dia ireo mpisoloky. Isan-kerinandro dia tsy maintsy nisy lisitr’olona nokarohina hatrany ary ny tsikaritra dia betsaka tao anatin’ny voarohirohy ho mpisoloky ny andriambavinilanitra. Nisy koa ireo mpifankatia izay rehefa avy nahavita nisoloky olona dia niara-nanjavona ary miaraka karohina. Miverimberina avokoa ny tranga toa izany ary saika mitovitovy ny fisehony.
D.R


