Naharitra ora roa be izao no namonoana ny afo sy nifehezana izany tsy hitratra intsony. Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo dia nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra teo anivon’ny oniversiten’Andrainjato ao Fianarantsoa.
Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia tao amin’ny « Cité Préfa N5 » no niandohan’ny afo ary nandravarava efitrano am-polony maro. Miisa enina teo ireo efitra potika sy may tanteraka, niaraka tamin’ny entana tao an-trano, raha ireo ambiny kosa, may tamin’ny ampahany izay tsy maintsy noravaina, entina hisorohana tsy hiparitahan’ny fahamaizana intsony.
Mpianatra an-jatony any ho any no voalaza fa tsy manan-kialofana vokatr’izay hain-trano goavana tao amin’ny toeram-pianaran’izy ireo izay. Efa nidina teny an-toerana sy nijery ny zava-nisy ary mandray andraikitra mahakasika izany rahateo ny tompon’andraikitry ny Oniversite miaraka amin’ny Ministera.
Marihana fa tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony niavian’ny loza. Raha ny feo mandeha sy ny miely amin’ny tambazotra serasera dia toa hoe mpifankatia niady no fositra saingy mbola eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika izay rahateo ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.
m.L