Ny faha-02 Janoary taona 2025 teo iny, tokony tamin’ny enina ora maraina no nampandre ny GP2C Hery, lehiben’ny zana-tombim-paritry ny Zandary, ao amin’ny tanànan’i Matsitso, Atoa Josia Banale, izay monina ao Ankaraobato, fokontany Mandanilasiray, kaominina ambanivohitr’i Tsararova, distrikan’i Tsaratanàna, aty amin’ny faritra Betsiboka, momba ny halatr’omby niisa 29 teny amin’ny kijana tsy misy miambina, ao Manakana, eo anelanelan’ny fokontany Mandanilasiray sy Matsitso. Rehefa nahare izany ny GP2C Hery, dia naniraka ny Zandary roa lahy eo ambany fiahiany sy Zandary roa, avy ao zana-tobim-paritra Tanambao/Tsararova, ka izy ireo no nanetsika ny hetsika, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy hanohy ny farahan-dia. Tamin’ny faha -3 Janoary taona 2025 teo, tokony tamin’ny mitatao vovonana no nifanehitra tampoka tamin’ny malaso nitondra ny omby ny mpitandro ny filaminana, tao Anketsa, andrefan’Ambatoloaka, disitrikan’ Andilamena no raikitra ny fifampitifirana. Vokany: nitari-dositra ireo jiolahy, rehefa tsy naharesy tosika tamin’ny fifandonana no navelan’izy ireo teo ny omby niisa 28. Tsy nisy kosa ny aina nafoy sy naratra tamin’ireo Zandary, ary ny vatan-dehilahy. Marihina fa niisa 29 ireo omby halatra ireo, saingy novonoin’ny dahalo teny an-dalana ny iray tamin’izany.
Ratantely