Mbola ho ela ve izany? Amin’ny fomba ahoana no hitrangany? Iza avy no hiaraka aminy? Inona avy ireo fambara? Izany fanontaniana rehetra izay manitikitika ny maro izany no novelabelarin’ny Pasitera Benjamina tao anatin’ny fandaharana izay nivoaka maneran-tany omaly alina, tamin’ny onjam-peon’ny FMFOI, 107.4. Nanambara ny Apostoly Benjamina tamin’izany, fa io Papa amin’izao fotoana io no Papa farany. Ny lahateny tao amin’ny Apokalipsy 17 : 9-11 no nentiny nanohanany ny heviny momba izany fanambarany momba ny fara-andro izany. Efa mahatratra 1.200.000 ny isan’ny olona eran-tany izay niandry io fanambarana io raha ny heno tao amin’ny FMFOI. Ankoatra ny onjam-peony, dia nandeha ihany koa izany fandaharana izany tamin’ny fitaovan-tserasera hafa toa ny Youtube (Ziona FJTSA7), ny tranon-kala fmfoi-apostolic.org, ny facebook (radio FmFoi). Nandeha tamin’ny fitenim-pirenena samihafa ilay fandaharana omaly.
Pasitera Benjamina : Fanambarana lehibe momba ilay hitondra ny tany hoany amin’ny fandringanana
Articles qui pourraient vous intéresser