- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpangala-bady tratra ambodiomby

Toamasina : Mpangala-bady tratra ambodiomby

Sarona tanteraka ny fampirafesana. Toa amin’ny trano iray tao an-toerana no niaraka ilay lehilahy sy ilay ramatoa, izay vadin’olona ara-dalàna. Teo ambony farafara ary nanao ny nataony mihitsy no tonga ny tompom-bady. Nosamborin’io farany ny rafilahiny ary nofatorany tamin’ny tako-kenatry ny vadiny. Tsy nentina lavitra ny raharaha fa nandeha tamin’ny fifandaminana. Izany hoe nisy fombafomba natao ary ankoatra izay dia nasaina nanome omby iray sy vola mitentina iray tapitrisa ariary ny tompom-bady. Soa fa nanana izany avy hatrany ilay mpangala-bady ary dia nilamina iny andron’iny ihany ny raharaha. Dia namonjy fodiana avy eo izy mivady, toy ireny tsy nisy na inona na inona nitranga ireny. Na ny olona aza talanjona ary tonga saina hoe tsy misy tsy vitan’ny vola intsony tokoa ankehitriny ? Raha nentina araka ny lalàna dia mampigadra tanteraka ny fangalaram-bady ary samy mizaka izany na ny lahy na ny vavy iray raisina ho mpiray tsikombakomba. Manano sarotra ihany anefa ny fitadiavana porofo satria mila vadintany izay manamarina sy mahatratra ambodiomby izay vao mitombina ny porofo eo imason’ny fitsaràna. Etsy ankilan’izany dia isan’ny toerana mampidi-bola ankehitriny ireny efitrano fandraisam-bahiny ireny ary betsaka aza no tsy misy manisy toeram-pamantarana intsony fa ao amin’ny tambajotra sosialy no manao dokam-barotra dia manoro ny mpanjifa ny toerana avy eo. Midika izany rehetra izany fa betsaka ny olona no tafiditra ao anaty fampirafesana sy ny fivarotan-tena. Momba io lafiny farany io indray dia betsaka koa ireo tovovavy efa tsy miafina intsony ary mampiseho ny entam-barotra ho hitam-bahoaka ao anaty tambajotra sosialy indrindra indrindra.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici