- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotan-tena : Lasa feno izany ny facebook

Fivarotan-tena : Lasa feno izany ny facebook

Tsy ny entam-barotra izay matetika avy any ivelany intsony ihany no hita amin’ny tambajotra fa tonga hatrany amin’ny fivarotan-tena. Tsy miafina intsony ireo tovovavy mivarotra ny tenany  teo aloha, mba ny kaonty fako no ampiasaina na koa takotakonana ny tarehy. Feno ireny vondrona ireny ny facebook ary miditra ao anatiny fotsiny izy ireo dia mizara ny sariny sy ny mombamomba ny fanjifàna azy ireo. Misy hatramin’ny fizaràn’ny sasantsasany ny taratasy manamarika aza fa tsy mitondra ny tsimokaretina avy amin’ny firaisana ara-nofo. Ary dia tena betsaka tokoa ny manaraka ireo vondrona ary mety ho manjifa. Ny toerana dia matetika ireo vehivavy ihany no milaza fa efa misy hotely manokana fanaovana ny asa. Dia tsy miafina intsony na ny ady varotra aza fa hitan’ny mpampiasa tambajotra eo indraindray. Tsy fivarotan-tena mivantana ihany no misy ao fa misy koa ny famarotana horonan-tsary mamoafady izay mandeha araka ny fifanarahana. Tovovavy izay ahiana ho tsy ampy taona ny sasany ary tsy miafina intsony. Misy koa ireo efa mamelona tokantrano ary tsy mijorjoro an-tsisin-dàlana intsony fa kosa any amin’ny tambajotra no manao dokam-barotra mafy sisa. Efa lasa teknolojika hatramin’ny fivarotan-tena izany. Saingy ny olana dia ny fiantraikan’izany amin’ireo tanora sy ireo zaza izay mety mahita tsy nahy ny fihetsika mamoafady. Malalaka loatra ny tambajotra amin’iny lafiny iray iny. D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici