- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 23, 2025
AccueilFaits-DiversSinoa karohina : Nitsoaka raha saika hoentina teny amin’ny fitsaràna

Sinoa karohina : Nitsoaka raha saika hoentina teny amin’ny fitsaràna

Efa nanokafana fanadihadiana izy ary tokony nampidirina anaty fonjakely (violon) mandra-panolorana azy eny amin’ny fampanoavana. Saingy tonga ny mpisolovava azy ary niangavy ny mba ho afaka hody kely. Tsy ela rahateo ny fotoana tokony hiakarana eny amin’ny fampanoavana fa ny ampitson’iny. Nanao « engagement » ilay mpisolovava fa izy no tompon’andraikitra amin’ny rehetra amin’io fodiana vetivety an’ilay Sinoa io. Tonga ny fotoana voatondro, tsy hita ilay Sinoa. Nampanantsoina ary tsy tonga intsony. Teo vao nikorapaka ny rehetra ary voatery tsy maintsy namoahana didy fikarohana haingana. Mazava ho azy fa tsy maintsy hiandrOnan’ny rihitra ny mpisolovava ao anatin’ity raharaha ity ary mety ho voarohirohy mihitsy aza amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny fampitsoahana olona. Bizhao Hu ny anaran’ilay Sinoa izay 47 taona ary voalaza ho mpandraharaha, raha araka ny hita ao amin’ilay filazàna fikarohana. Ny tena anton’ny raharahany teny amin’ny mpitandro ny filaminana indray dia mahakasika fidarohana sy fandratràna olona niniana. Izany hoe io no antony nanokafana fanadihadiana azy ary tokony nitazomana azy raha tsy nisy ny fidirana an-tsehatry ny mpisolovava. Napetaka eraky ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny sariny ary ny sampan-draharahan’ny zandary misahana ny raharaha ady heloka bevava etsy Fiadanana no misahana ny fanadihadiana sy fikarohana azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici