- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasamadinika : Mpanakanto malaza nanolana ny zanany vavy nalefa eny Tsiafahy

Ampasamadinika : Mpanakanto malaza nanolana ny zanany vavy nalefa eny Tsiafahy

Ilay mpanakanto malaza.

Naiditra am-ponja avy hatrany eny Tsiafahy ny raim-pianakavina, sady mpanakanto malaza, izay voalaza fa nanolana sady nampijaly ny zanany vavy, mbola nalaina sary vidéo ihany koa. Araka ny fanazavana avy amin’ny polisy, ny 9 janoary, olon-tsotra tsara sitra-po no nampahafantatra ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona eny Tsaralalana fa misy zazavavy iharan ‘ny vono sy herisetra ka ny rainy ihany no nahavanon-doza ao Ampasamadinika. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nanao fanadihadiana ka nosamborina tao amin ‘ny trano fonenany ity raim-pianakaviana ity tamin ‘io andro io. Nihidy aman- trano ity lehilahy ity nandritra ny fidinana ifotony ho fisamborana azy ary ratovovavy efa tsy mahatsiaro tena sy feno ratra no hita tao an-trano. « Nanomboka 14 taona ilay tovovavy no efa naolan’io rainy io sy nanaovany fampijaliana isan-karazany ka hatramin’izao faha 33 taonany izao. Izany hoe nandritra ny 19 taona no nanaovan’ilay rainy izany filan-dratsy mamoafady sy tsy fampiseho masoandro izany », hoy ny fanazavana. Nandà hatrany ho tsy nahavita ireo heloka ireo ity lehilahy ity saingy niaiky izy rehefa tratra tao anaty solosainany ny karazana horonantsary mirakitra ny fanolanana sy vono ary fampijaliana nataony tamin’ilay tovovavy. « Tapenany amin ‘ny lamba ny vavan’ilay zanany mba tsy ho afaka miantso vonjy mandritra ny fampijaliana sy fanolanana ataony », hoy ny fitantarana. Nalefa eny Tsiafahy rehefa niakatra fampanoavana ny alatsinainy teo.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici