Tena tsy milamina ny tany eto Toamasina fa saika isan’andro dia misy hatrany ny halatra sy fanafihana amin’ny fitaovam-piadiana sy zava-maranitra. Ilay tranga niseho tao Andranomadio P/elle 11/44 araka ny fitantaran’ilay voatafika dia tonga teo aminy tovolahy iray ary mody nanontany zavatra. Mpivarotra kojakoja fanamboaran-trano sy mifandraika amin’izany ity tranombarotra ity. Taorian’io fanontanian’ilay tovolahy tamin’ity mpivarotra dia nivadika ho fangataham-bola niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana ny raharaha. Lasan’ilay tovolahy ny harona kely fitoeram-bola teo ambony latabatra ary nifandroritan’ilay mpivarotra sy ilay jiolahy, nefa moa lasany ihany ny farany. Teo ampitsoahana no nipoaka ny basy ka nahavoa ireto mpianatra tao Barikadimy mirahalahy samy avy any Moaroantsetra. Ny voalohany izay maty voa teo amin’ny kibony dia mpianatra taona fahaefatra amin’ny taranja filozofia; ny faharoa kosa mbola manaraka fitsaboana amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina tsy lavitra teo izay mpianatra taona fahatelo amin’ny sampana lalana. Tsy jiolahy ireo havanay fa tojo jiolahy nanao fanafihana ka voa tsy fidiny ny balan’izy ireo, hoy ny fianakavian’ireto voatifitra. Porofon’izany hoy izy ireo, aiza ry ny basy nampiasan’ireo jiolahy amin’izao, hoy hatrany ny fianakaviany. Ankaotra izany dia nanova paikady fangalarana ny jiolahy mpangalatra amin’izao, satria eny ambony tafotrano indray izy ireo no miditra manokatra ny trano, ary maka ireo entana tiany sy mora amidy rehetra ao an-trano. Fianakaviana iray ao amin’ny “Cité Nouvelle Ville” eto an-tampon-tananan’i Toamasina mihintsy no niharan’izany, tao anatin’ny oram-ben’ilay rivo-doza “Dikeledi” farany teo. Lasa avokoa hatramin’ny fananana kely indrindra sy ny finday amin’ity halatra ity.
Malala Didier