Ny herinandro lasa teo no nitranga ity halatra fiara teo amin’ny fiantsonan’ny fiara ana trano fandraisam-bahiny lehibe iray tetsy Ivato. Andro vitsy taty aoriana, hita ny fiara, fiara tsy mataho-dalana marika Toytota Land Cruiser II ary voasambotra niaraka tamin’izay ihany koa ireo mpangalatra. Ireto farany, izay tsy iza fa ireo mpamilin’ilay fiara ihany. Raha ny fantatra dia sinoa no tompon’ity fiara very ity, ary manana mpamily miisa dimy izy, miasa sy mitondra an’ity 4×4 ity. Tamin’io fotoana nahavery azy io dia mpamily iray no nitondra ny fiara niaraka tamin’ny mpampiasany ary nanajanona ilay fiara teo amin’ny parking an’ilay hôtely. Nony niverina anefa izy ireo dia efa tsy teo amin’ny toerana intsony ilay fiara. Nisy mpiambina tsara io ary voalaza fa hitany tsara ny nivoahan’ny fiara, saingy tsy nahataitra. Mazava ho azy fa mety olona efa mpitondra izany fiara izany ilay mpamily mpangalatra. Izay toe-javatra izay avy hatrany no niantefan’ny ahiahin’ireo mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha ary nanao fanadihadiana an’ireo mpamily. Nanomboka niseho tsikelikely ny marina teo, hoy ny zandary satria fantatra fa tena voasaringotra tao anatin’izay halatra fiara izany izy ireo. Paik’ady efa maty paika ny nangalarana ilay fiara, ka tao anatin’izay ny fanaovana dika mitovy ny lakile. Efa natolotra ny Fampanoavana ry zalahy ireto ka ny efatra no nadoboka vonjimaika avy hatrany etsy amin’ny Fonjaben’Antanimora, raha arahana maso ara-pitsaràna kosa ny iray tamin’izy dimy lahy.
m.L