- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana tetsy Ambodivona : Efatra tapitrisa Ar no lasa, maty ilay saofera

Fanafihana tetsy Ambodivona : Efatra tapitrisa Ar no lasa, maty ilay saofera

Efa miparitaka ny sarin’ireo roa lahy nitifitra nahafaty ny mpamilin’ny karàna vavy iray izay nandeha fiara nifanandrify an’Ambodivona, ary voatafika tamin’ny basy. Tsy avotra ilay mpamily na dia teo aza ny fialana nenina rehetra nanavotana ny ainy. Ny harivan’ny fanafihana ihany izy dia namoy ny ainy. Mahakasika ny vola lasa kosa dia manodidina ny efatra tapirisa ariary izany raha araka ny vaovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Toa efa voakajy tsara ilay fandrobàna raha ny fijery azy ary mety ha efa narahina ilay fiara ka nandrasana fotsiny eo amin’ny fotoana mampitohana ny fifamoivoizana, dia niditra an-tsehatra tamin’izay ny jiolahy. Ny antony namonoana ny mpamily indray dia mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny tompon’andraikitra misahana ny famotorana. Azo heverina anefa ny hoe mety ho olom-pantatra tampoka ilay nanafika ary tsy maintsy novonoina izay mahafantatra mba hialàna amin’ny arakaraka. Na izany aza anefa olona nanao aroloha ireo mpandeha moto ary mety ho sarotra ny namantatra azy ireo. Nampivarahotsana ny maro ity fanafihana amin’ny andro antoandro ary nahafaty olona ity. Omaly koa dia mbola niasa ihany ny jiolahy mitam-basy tetsy Bekiraro ary nanafika “cash point”. Mirongatra tanteraka ary mila fiheverena. Omaly dia nisy fivoariam-be nataon’ny lehiben’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana. Asa raha mba voaresaka ity tsy fandriam-pahalemana tsy an-kijanona ity na koa ny resaka politika no nibahana indray.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici