- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversIkongo : Mpiasan’ny « projet » matin’ny fitsaram-bahoaka

Ikongo : Mpiasan’ny « projet » matin’ny fitsaram-bahoaka

Nolazaina fa mpangala-jaza izy ireo ary nirohotra ny fokonolona namely sy nifandimby namono ireto olona ireto, eny fa na dia niezaka nanao ny fandaminana aza ireo zandary. Vokany, maty tsy tra-drano ilay lehilahy mpiasa amin’ny tetikasa iray any an-toerana. Mpampianatra iray niaraka taminy kosa no naratra ary mbola ao anaty fitsaboana hatramin’izao.

Ny sabotsy teo no nitrangan’ity fitsaram-bahoaka ity tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, ao amin’ny kaominina Manampatrana, distrikan’Ikongo. Araka ny fampitam-baovaon’ireo namana avy any an-toerana dia avy namita iraka tany Ifanadiana sy Manampatrana ireto roa lahy ireto, nandeha moto ary handeha hody, andro alina,  no tojo ity sakoroka ity. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa nifanena tamin’ny ankizilahy kely izy ireo, izay nanapa-dalana tsy nahy. Tafajanona izy ireo ary nibedy ilay ankizy. Ity farany indray anefa avy eo no niteny tamin-dreniny fa hoe « misy mpangala-jaza ». Nikoka fokonolona avy hatrany ity renin-jaza ity ary vory ireto farany. Na dia teo aza ny fanazavana fa mpiasan’ny tetikasa any an-toerana izy ireo, dia tsy te hahala ireo fokonolona tezitra ary niafara tamin’io famonoana io. Nopotehin’izy ireo ihany koa ny moto nentin’izy roa lahy. Efa tonga tany an-toerana avy hatrany moa ny zandary taorian’io. Ary araka ny voalaza hatrany dia efa nisy ireo voasambotra tamin’ireo namono.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici