- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Mpitandro ny filaminana nanolana

Farafangana : Mpitandro ny filaminana nanolana

Ny mpiasa an-tranony ihany no nanamparany ny filan-dratsiny. Zazavavy vao sivy taona izy io saingy efa nampiasain’ny ray aman-dreniny noho ny tsy fisiana. Tao amin’ny mpampiasa ratsy no nivantana. Naolany tao. Avy eo nateriny tany amin’ny ray aman-drenin’ilay zaza rehefa nolazaina fa tsy tamàna. Narary ilay zaza ary rehefa nentina teny amin’ny mpitsabo dia voamarina fa niharan’ny fanolanana. Nitory ny ray aman-dreny saingy mbola voarahona tamin’ny basy koa, raha ny fitantaran’izy ireo. Tsy nanakana ny taratasy fitoriana tsy ho tonga teny amin’ny mpanao fanadihadiana anefa izany ary dia efa nosokafana ny momba izany. Fanolanana, sady izay indray amin’ny zaza latsaky ny 15 taona. Tsy vitan’izay fa mbola mpitandro ny filaminana tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany no tompon’antoka. Mafimafy ny sazy miandry raha tsisy sakantsakana indray ny fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici