« Efa tafiditra tao an-trano izy ireo vao nanapoaka basy … ». Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanana iray tao amin’ny fokontany Morarano Nord, ao amin’ny kaominina Imeritsiatosika ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Araka ny fantatra dia tokatranona mpandraharaha omby iray any an-toerana izy io. Tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any no niditra an-keriny tao amin’ity trano ity ireo andian-jiolahy. Miisa sivy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ireo mpanao fanadihadiana, izay samy tsy nisy nanao saro-tava avokoa ary nitondra basy lava vita gasy. Mbola tao anatin’ny torimasony avokoa moa ny rehetra tao an-trano tamin’io fotoana io, ka mora ho an’ireo olon-dratsy no napitsoka ny varavarana tamin’ny alalan’ny « barre-pince ». Vantany vao tafiditra izy ireo, dia avy hatrany dia nanapoaka basy nanao tifi-danitra. Angamba sady nentina nanaitra ireo tao an-trano no nentina natao fampitahorana ihany koa. Mazava ho azy, nandaitra ny fandrahonana, ary samy raiki-tahotra ny iray trano ka nanome tsy fidiny ny zavatra notakian’ireo mpandroba. Voalazan’ny loharanom-baovao fa vola manodidina ny 20 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ny finday miisa roa, ka ny roa tamin’izany no avo lenta. Nitsoaka toy tsy teo moa izy ireo rehefa nahazo izay notadiaviny. Marihana fa na dia teo aza ny fampiasana basy dia tsy nisy naninona ny iray trano.
Nampandrenesina avy hatrany kosa ny mpitandro filaminana taorian’ity zava-niseho ity ary tonga haingana teny an-toerana. Nisy ihany koa ny fandraisana fepetra ny nanaovana savahao ny manodidina sy ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy taorian’izay, niaraka tamin’ny fampandrenesena ireo tobin’ny mpitandro filaminana manodidina. Saingy efa nanjavona tsy hita ireo mpanafika. Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo any an-toerana.
m.L